Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-8

1 Mampandre anareo izahay, ry rahalahy, fa izao no fahasoavan'Andriamanitra nomena ny Eglizy any Masedonia.

2 Na dia lehibe aza ny fahoriana nizahan-toetra azy, dia feno hafaliana izy ireo; ary na dia lalina aza ny fahantrana nahazo azy, dia nahafoy harena be tamin-katsoram-po izy. 3 Vavolombelona aho fa an-tsitra-po tokoa no nahafoizany araka izay zakany, eny mihoatra noho izay zakany aza, 4 fa niangavy mafy taminay izy mba hanana anjara amin'izany fanampiana ny olo-masina izany. 5 Koa dia sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena tamin'ny Tompo aloha, vao taminay koa, noho ny fahasoavan'Andriamanitra. 6 Izany no niangavianay an'i Tito mba hanatanteraka izany fahasoavana izany aty aminareo, noho izy efa nanomboka izany rahateo. 7 Aoka ho araka ny fahambonianareo amin'ny zavatra rehetra, dia amin'ny finoana, amin'ny teny, amin'ny fahalalana, amin'ny fahazotoana na amin'inona na amin'inona, ary amin'ny fitiavana anay, no ho fahambonianareo koa amin'ity fahasoavam-piantrana ity.

8 Tsy didy omeko anefa izany, fa fanararaotako ny zotom-pon'ny sasany hoenti-mitsapa ny hamarinan'ny fitiavanareo. 9 Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin'ny fahantrany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0673